|
|
|
|

Entry1  Ilay ony
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Elementary words  3  ilay, ony
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rafanoharana
Full text 
6  Variana ny masoko, gaga ny saiko, 7  Mahita'ty ony mandalo tanàna: 8  Milamim-pisosa toa efa voabaiko, 9  Manatona ihany an'ilay fiafarana. 10  Ny onja madinika, indreny misangy, 11  Toa ondry aman'osy mifalihavanja; 12  Ny roatra tsy rototra, toa mampitamby 13  Mirona malako fa mana-mpilanja.
14  Ilaozako anefa'lay toerako teo, 15  'Ty ony malaza arahiko an-kiry: 16  Injany any erà ô! henoko feo, 17  Dia feo mahatahotra, feo makadiry! 18  Tsy ela dia hitako eo anoloako. 19  'Ty riana mianjera tsy roa aman-tany; 20  Ny rano mifafy hatreo am-pijoroako, 21  mamorona avana kanto aoka izany!
22  Miorika ihany hatrany hatrany, 23  Tsy miato ny diako manaraka ny ony 24  Satria te-hahita izay fiandohany, 25  'Zay hoe hainandro tsy tsapako intsony, 26  Dia iny'lay ony mihena, mihena, 27  Mihena miandalana sy mihakely; 28  Tanety vakiny - endre! raha jerena, 29  Fa mavana, maitso, toa " sahan'anjely " .
30  Ny omby aman'ondry darofan'ny andro, 31  Indreo fa misotro, mimà dia mitraka; 32  Ny ankizy mpiandry, mafana ka mandro 33  (Ireo tsy mba sahy mikatroka daka) 34  Mihena tsy hitan'ny masoko intsony 35  Fa lasa misitrika anatin'ny ampanga: 36  Endrey! zary tatatra manko ilay ony, 37  Dia tatatra kely toa mena-mitranga !
38  Dia hitako farany'lay loharano 39  Miboika dia miboika ambanin'ny vato; 40  Ny vato mivoaka eo manganohano; 41  Miboika dia lasa, mandeha tsy miato. 42  Indreny ny vorona, ireo voron'ala, 43  Misotro, variana, dia miara-mikalo 44  Miadam-pinaritra, tsy salasala, 45  Fa lavi-mpanenjika sy fahavalo.
46  Mandeha ny saiko mihevitra izany: 47  Nahoana aho re no kivy mazàna? 48  'Lay ony kanefa he'ty fiandohany 49  Mba kely ny bitika saro-jahana. 50  Ry foko, mionona ka aza tomany; 51  Raha toa mavomavo tsy fantatra akory, 52  lanaro ny ony, mitombo hatrany; 53  Ho resy miandalana ny andro mahory!

Updated on 2025/05/06